Exodus 26:36 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Manaova koa varavarana lamba eo amin’ny lay, manga, volomparasy, jaky, ary rongony fotsy madinika voatenona, asan’ny mahay tenona samihafa soratra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Ny fidirana ao amin’ny lay, dia anaovy efitra lamba amin’ny jaky volomparasy sy jaky mangatrakatraka sy lamba mena antitra ary rongony fotsy madinika voahasina, voatenona amin’ny soratra maro samihafa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Momba ny fidirana ao amin’ny tranolay masina dia aoka hanaovan’ny mpanenona za-draharaha varavarana lamba iray hafa amin’ny rongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky.
Malagasy Bible 1865
Ary manaova varavarana lamba ho eo amin'ny lay, dia amin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Manaova koa varavarana lamba eo amin’ny lay, manga, volomparasy, jaky, ary rongony fotsy madinika voatenona, asan’ny mahay tenona samihafa soratra.
malagasy
Ary manaova varavarana lamba ho eo amin'ny lay, dia amin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra.Ary manaova andry hazo akasia dimy ho amin'ny varavarana lamba, ka peta­ho takela-bolamena; ary ho volamena koa ny fihantonany; ary mandrendreha faladia varahina dimy hiorenany.