Exodus 27:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ataovy amin’ny hazo akasia ny alitara: Dimy hakiho avy ny lafiny efatra, izany hoe: Ho efamira, ary telo hakiho ny haavony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Hanao ôtely amin’ny hazo akasià ianao: dimy hakiho ny halavany, dimy hakiho ny sakany, ka hitovy efatra ny lafiny, ary telo hakiho ny haavony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Hisy alitara fisoronana hamboarina amin’ny hazo mimôzà. Ho efamira izy io, ka mirefy roa metatra sy sasany ny lafy tsirairay, ary iray metatra sy sasany ny haavony.
Malagasy Bible 1865
Ary manaova ny alitara amin'ny hazo akasia: dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia ho efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary telo hakiho ny hahavony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ataovy amin’ny hazo akasia ny alitara: Dimy hakiho* avy ny lafiny efatra, izany hoe: Ho efamira, ary telo hakiho ny haavony.
malagasy
Ary manaova ny alitara amin'ny hazo akasia: dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia ho efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary telo hakiho ny hahavony.