Exodus 27:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho tahaka izany koa eo amin’ny lafiny avaratra, amin’ny lavany dia hisy fefy lamba, zato hakiho ny halavany, ho roapolo ny andriny, ho roapolo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin’ireo andriny sy ny farango hitohizany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy izany koa ny lafiny avaratra, hisy fefy lamba zato hakiho ny halavany, amin’ny andriny roapolo misy faladia varahina roapolo, volafotsy avokoa ny faraingo amin’ny andriny sy ny anjaka hitohizany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho tahaka izany koa ny lafiny avaratra, ka hivelatra dimampolo metatra ny halavan’ny temitra, ary mitovy amin’ny teo ihany ny fanantonana azy.
Malagasy Bible 1865
Ary ho tahaka izany amin'ny lafiny avaratra, amin'ny lavany dia hisy fefy lamba, zato hakiho ny halavany, ary ho roa-polo ny tsangantsangany, ary ho roa-polo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin'ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho tahaka izany koa eo amin’ny lafiny avaratra, amin’ny lavany dia hisy fefy lamba, zato hakiho ny halavany, ho roapolo ny andriny, ho roapolo ny faladiany varahina; ho volafotsy ny fihantonana amin’ireo andriny sy ny farango hitohizany.
malagasy