Exodus 27:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hisy fefy lamba dimampolo hakiho amin’ny sakan’ny kianja amin’ny lafiny andrefana; ho folo ny andriny ary ho folo ny faladiany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny amin’ny lafiny andrefana dia hatao dimampolo hakiho ny halavan’ny fefy lamba amin’ny sakan’ny kianja, ary folo ny andry, folo ny faladiany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’ny lafiny andrefana, manaraka ny sakan’ny kianja, dia hivelatra 25 metatra ny temitra, ary hahantona amin’ny andry folo misy faladia folo.
Malagasy Bible 1865
Ary hisy fefy lamba dimam-polo hakiho amin'ny sakan'ny kianja amin'ny lafiny andrefana; ho folo ny tsangantsangany, ary ho folo ny faladiany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hisy fefy lamba dimampolo hakiho amin’ny sakan’ny kianja amin’ny lafiny andrefana; ho folo ny andriny ary ho folo ny faladiany.
malagasy
Ary hisy fefy lamba dimam-polo hakiho amin'ny sakan'ny kianja amin'ny lafiny andrefana; ho folo ny tsangantsangany, ary ho folo ny faladiany,