Exodus 27:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eo amin’ny vavahadin’ny kianja dia hasiana vavahady sy lamba roapolo hakiho, manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona, asan’ny mahay tenona samihafa soratra; ho efatra ny andriny ary ho efatra ny faladiany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny amin’ny vavahadin’ny kianja, dia hasiana varavarana lamba, roapolo hakiho, vita amin’ny jaky volomparasy, sy jaky mena mangatrakatraka sy lamba mena antitra, ary rongony madinika voahasina, misoratsoratra, mbamin’ny andriny efatra sy faladia efatra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny vavahadin’ny kianja kosa dia hasiana varavarana lamba folo metatra, hamboarin’ny mpanao peta-kofehy amin’ny kiran-drongony mafy mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, ka hahantona amin’ny andry efatra misy faladiany efatra.
Malagasy Bible 1865
Ary eo amin'ny vavahadin'ny kianja dia hisy vavahady sy lamba roa-polo hakiho, dia manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra; ho efatra ny tsangantsangany, ary ho efatra ny faladiany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eo amin’ny vavahadin’ny kianja dia hasiana vavahady sy lamba roapolo hakiho, manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona, asan’ny mahay tenona samihafa soratra; ho efatra ny andriny ary ho efatra ny faladiany.
malagasy