Exodus 27:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny lavan’ny kianja dia ho zato hakiho, ny sakany dia ho dimampolo hakiho ary ny haavony dia ho dimy hakiho ka hatao amin’ny lamba rongony fotsy madinika voatenona izany, ary ho varahina ny faladiany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny lavan’ny kianja dia ho zato hakiho, ny sakany ho dimampolo avy, ny haavony ho dimy hakiho, ny fefy lamba ho rongony fotsy madinika voahasina ary ny faladiany ho varahina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ny kianja dia hirefy dimampolo metatra ny lavany, 25 metatra ny sakany; ary ny haavon’ny lamba temitra rongony dia ho roa metatra sy sasany.
Malagasy Bible 1865
Ny lavan'ny kianja ho zato hakiho, ary ny sakany ho dimam-polo hakiho, ary ny hahavony ho dimy hakiho, ka hatao rongony fotsy madinika voahasina izany, ary ho varahina ny faladiany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny lavan’ny kianja dia ho zato hakiho, ny sakany dia ho dimampolo hakiho ary ny haavony dia ho dimy hakiho ka hatao amin’ny lamba rongony fotsy madinika voatenona izany, ary ho varahina ny faladiany.
malagasy
Ny lavan'ny kianja ho zato hakiho, ary ny sakany ho dimam-polo hakiho, ary ny hahavony ho dimy hakiho, ka hatao rongony fotsy madinika voahasina izany, ary ho varahina ny faladiany.