Exodus 27:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Asaivo mitondra diloilon’oliva tsy miharo ho eo aminao ny Zanak’Israely, diloilo nofiazana, hatao fanazavana, mba hisy jiro mirehitra tsy miato.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Omeo didy ny zanak’i Israely hitondra aminao diloilon’ôliva voatoto, hatao jiro hamelona ny lalampy lalandava.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ary ianao, ry Mosesy, mandidia ny Israelita hitondra aminao menaka ôliva tsara sy madio mba handrehetana ny jiro tsy tapaka.
Malagasy Bible 1865
Ary mandidia ny Zanak'Isiraely hitondra aminao diloilon'oliva tsara voavely hatao fanazavana, mba hampirehetana jiro mandrakariva.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Asaivo mitondra diloilon’oliva tsy miharo ho eo aminao ny Zanak’Israely, diloilo nofiazana, hatao fanazavana, mba hisy jiro mirehitra tsy miato.
malagasy
Ary mandidia ny Zanak'Isiraely hitondra aminao diloilon'oliva tsara voavely hatao fanazavana, mba hampirehetana jiro mandrakariva.Ao anatin'ny trano lay fihaonana, dia eo ivelan'ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, no handaharan'i Arona sy ny zanany azy ho eo anatrehan'i Jehovah hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina; ho lalàna mandrakizay amin'ny Zanak'Isiraely izany hatramin'ny taranany fara mandimby,