Exodus 27:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ao anatin’ny tranolay fihaonana, dia eo ivelan’ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, no handaharan’i Arona sy ny zanany azy ho eo anatrehan’NY TOMPO hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina; ho lalàna maharitra amin’ny Zanak’Israely izany hatramin’ny taranany fara aman-dimby.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ao an-trano lay fihaonana, ivelan’ny efitra lamba anoloan’ny vavolombelona, no hanamboaran’i Aarôna sy ny zanany avy, hirehetany eo anatrehan’i Iaveh hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina. Lalàna mandrakizay izany ho an’ny zanak’i Israely, hatramin’ny taranaka mifandimby.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Aharôna sy ny taranany no hametraka ny fitoeran-jiro ao amin’ny Tranolay fihaonana, eo anoloan’ny efitra lamba izay manafina ny Vatamasina; ny jiro dia hirehitra manomboka ny hariva ka hatramin’ny maraina eo anatrehako Izaho TOMPO. Fepetra raikitra hotanterahin’ny Israelita isaky ny taranaka mifandimby izany.
Malagasy Bible 1865
Ao anatin'ny trano lay fihaonana, dia eo ivelan'ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, no handaharan'i Arona sy ny zanany azy ho eo anatrehan'i Jehovah hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina; ho lalàna mandrakizay amin'ny Zanak'Isiraely izany hatramin'ny taranany fara mandimby,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ao anatin’ny tranolay fihaonana*, dia eo ivelan’ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, no handaharan’i Arona sy ny zanany azy ho eo anatrehan’NY TOMPO hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina; ho lalàna maharitra amin’ny Zanak’Israely izany hatramin’ny taranany fara aman-dimby.
malagasy
Ao anatin'ny trano lay fihaonana, dia eo ivelan'ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, no handaharan'i Arona sy ny zanany azy ho eo anatrehan'i Jehovah hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina; ho lalàna mandrakizay amin'ny Zanak'Isiraely izany hatramin'ny taranany fara mandimby,