Exodus 27:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Manaova koveta fandraofan-davenona handraofana ny lavenony ary amboary ny sotron’afony sy ny lovia fandraofany ary ny fitrebiny sy ny fitondrana afony; varahina no hanaovanao ny fanaka rehetra momba azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hanao tavy fandraofan-davenona momba ny ôtely ianao, ary sotron’afo, tavy, fitrebika, ary fatana; ataovy varahina avokoa ireo fanaka ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Halimo koa no hanaovana ny fanaka rehetra momba ny alitara: dia ny tavy fasiana lavenon-jabora, ny sotrobe fangaronana afo, ny tsatokaty famafazana, ny fitrebi-kena ary ny fitondrana afo.
Malagasy Bible 1865
Ary manaova ny vilaniny fandraofan-davenona handraofana ny lavenony ary ny sotron'afony sy ny loviany famafazana ary ny fitrebiny sy ny fitondran'afony; varahina no hanaovanao ny fanaka rehetra momba azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Manaova koveta fandraofan-davenona handraofana ny lavenony ary amboary ny sotron’afony sy ny lovia fandraofany ary ny fitrebiny sy ny fitondrana afony; varahina no hanaovanao ny fanaka rehetra momba azy.
malagasy