Exodus 27:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ataovy koa ny kianjan’ny tabernakely: Eo amin’ny lafiny atsimo dia hisy fefy lamba rongony fotsy madinika voatenona ho amin’ny kianja. Zato hakiho ny halavany amin’ny lafiny iray;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Manaova ny kianjan’ny Fonenana. Ny lafiny atsimo, ao ankavanana, ny kianja dia hasianao fefy lamba rongony madinika voahasina hatao zato hakiho ny halavan’ny lafiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ny fonena-masina dia hohodidinina kianja izay fefen’ny temitra vita amin’ny kiran-drongony mafy. Amin’ny lafiny atsimo, dia hivelatra eo amin’ny dimampolo metatra ny halavan’ny temitra;
Malagasy Bible 1865
Ary manaova ny kianjan'ny tabernakely: amin'ny lafiny atsimo hisy fefy lamba rongony fotsy madinika voahasina ho amin'ny kianja, zato hakiho ny halavany amin'ny lafiny iray;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ataovy koa ny kianjan’ny tabernakely*: Eo amin’ny lafiny atsimo dia hisy fefy lamba rongony fotsy madinika voatenona ho amin’ny kianja. Zato hakiho* ny halavany amin’ny lafiny iray;
malagasy
Ary manaova ny kianjan'ny tabernakely: amin'ny lafiny atsimo hisy fefy lamba rongony fotsy madinika voahasina ho amin'ny kianja, zato hakiho ny halavany amin'ny lafiny iray;