Exodus 28:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ampanatony anao avy eo anivon’ny Zanak’Israely i Arona rahalahinao mbamin’ireo zanany mba hanao fisoronana ho Ahy izy, dia i Arona, i Nadaba, i Abiho, i Eleazara ary Itamara, zanak’i Arona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Asaovy manatona anao i Aarôna rahalahinao, mbamin’ny zanany, ao amin’ny zanak’i Israely, mba ho mpisorona amin’ny fanompoana Ahy, dia i Aarôna, i Nadaba, i Abiò, i Eleazara, ary i Amôra, zanak’i Aarôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ry Mosesy, ampanatòny ho eo akaikinao i Aharôna rahalahinao sy ny zanany efa-dahy, dia i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara. Avaho amin’ny Israelita ireo mba hanompo Ahy amin’ny fisoronana.
Malagasy Bible 1865
Ary asaovy manatona anao Arona rahalahinao mbamin'ny zanany, avy amin'ny Zanak'Isiraely, mba ho mpisorona ho Ahy izy, dia Arona mbamin'i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara, zanak'i Arona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ampanatony anao avy eo anivon’ny Zanak’Israely i Arona rahalahinao mbamin’ireo zanany mba hanao fisoronana ho Ahy izy, dia i Arona, i Nadaba, i Abiho, i Eleazara ary Itamara, zanak’i Arona.
malagasy
[Ny amin'ny hanendrena ny mpisorona, sy izay ho fomban'ny fitafiany] Ary asaovy manatona anao Arona rahalahinao mbamin'ny zanany, avy amin'ny Zanak'Isiraely, mba ho mpisorona ho Ahy izy, dia Arona mbamin'i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara, zanak'i Arona.