Exodus 28:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ataovy eo amin’ny soroky ny efoda ny vato roa, ho vato fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Israely. Ary i Arona dia hitondra ireo anarany ireo eo amin’ny sorony roa, eo anatrehan’NY TOMPO ho fahatsiarovana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ataovy eo amin’ny soroky ny efôda ireo vato roa ireo, ho vato fahatsiarovana ny zanak’i Israely, fa hoentin’i Aarôna amin’ny sorony roa eo anatrehan’i Iaveh ny anaran’izy ireo ho fahatsiarovana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia hapetany eo ambony beritelon’ny efôda ireo vato roa ireo mba ho fahatsiarovana ny Israelita foko 12. Amin’izay i Aharôna dia hitondra ny anaran’izy ireo eny an-tsorony ao amin’ny Toeramasina, ka Izaho TOMPO tsy hanadino anareo.
Malagasy Bible 1865
Ary ataovy eo amin'ny soroky ny efoda ny vato roa, ho vato fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely; ary Arona hitondra ireo anarany ireo eo anatrehan'i Jehovah amin'ny sorony roa ho fahatsiarovana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary ataovy eo amin'ny soroky ny efoda ny vato roa, ho vato fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely; ary Arona hitondra ireo anarany ireo eo anatrehan'i Jehovah amin'ny sorony roa ho fahatsiarovana.