Exodus 28:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary manaova saron-tratra fitsarana, asan’ny mpanenona mahay. Toy ny nanaovana ny efoda no hanaovanao azy: Volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Dia manaova saron-tratra fitsarana, asa-mpanenona mahay; hatao mitovy tenona amin’ny efôda, hatao amin’ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika mihasina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Mpahay taozavatra no hanao ny saron-tratra fitsarana amin’ny kiran-drongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, sady hasiana peta-kofehy volamena toy ny efôda.
Malagasy Bible 1865
Ary manaova saron-tratra fitsarana, ka asan'ny mpanenona mahay, toy ny nanaovana ny efoda, no hanaovanao azy; volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina no hanaovanao azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary manaova saron-tratra fitsarana, asan’ny mpanenona mahay. Toy ny nanaovana ny efoda* no hanaovanao azy: Volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona.
malagasy
Ary manaova saron-tratra fitsarana, ka asan'ny mpanenona mahay, toy ny nanaovana ny efoda, no hanaovanao azy; volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina no hanaovanao azy.