Exodus 28:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary manaova koa mason-drojo roa ka ataovy eo amin’ny soroka roa amin’ny efoda, dia ao ambaniny, eo anoloany, akaikin’ny fihaonany, eo ambonin’ny fehikibo momba ny efoda.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia manaova koa masom-bolamena roa hatao eo ambanin’ny sorony roa amin’ny efôda, eo anoloana, akaikin’ny famatorana azy sy ambonin’ny fehikibo amin’ny efôda.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mbola hisy haba volamena roa hafa koa hamboarina ka hapetaka eo ambanin’ny beritelon’ny efôda eo anoloana, eo amin’ny fikambanany; eo ambonin’ny samboadin’ny efôda no hametrahana ireo haba volamena ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary manaova vava volamena roa koa, ka ataovy eo amin'ny soroko roa amin'ny efoda, dia ao ambaniny, eo anoloany, akaikin'ny fikambanany, eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary manaova koa mason-drojo roa ka ataovy eo amin’ny soroka roa amin’ny efoda, dia ao ambaniny, eo anoloany, akaikin’ny fihaonany, eo ambonin’ny fehikibo momba ny efoda.
malagasy
Ary manaova vava volamena roa koa, ka ataovy eo amin'ny soroko roa amin'ny efoda, dia ao ambaniny, eo anoloany, akaikin'ny fikambanany, eo ambonin'ny fehin-kibo momba ny efoda.