Exodus 28:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa mitenena amin’izay manan-talenta, izay nofenoiko fanahim-pahendrena, mba hanao ny fitafian’i Arona hanamasinana azy mba hanaovany fisoronana ho Ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ireo olo-mahay rehetra nofenoiko fanahim-pahendrena no hantsoinao, dia izy no hanao ny fanamiana ho an’i Aarôna mba hohamasinina izy hanaovany ny fisoronana amiko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny torohevitra rehetra dia ambarao amin’ireo mpahay taozavatra izay nofenoiko hakingana, ka ireo no hanao ny fanamiana izay hoentin’i Aharôna amin’ny fanokanana azy ho mpisorona ho Ahy.
Malagasy Bible 1865
Ary mitenena amin'izay hendry fo, izay nofenoiko fanahim-pahendrena, mba hanao ny fitafian'i Arona hanamasinana azy ho mpisorona ho Ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa mitenena amin’izay manan-talenta, izay nofenoiko fanahim-pahendrena, mba hanao ny fitafian’i Arona hanamasinana azy mba hanaovany fisoronana ho Ahy.
malagasy
Ary mitenena amin'izay hendry fo, izay nofenoiko fanahim-pahendrena, mba hanao ny fitafian'i Arona hanamasinana azy ho mpisorona ho Ahy.