Exodus 28:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ataovy eo amin’ny saron-tratra fitsarana ny Orima sy ny Tomima; ho eo amin’ny fon’i Arona izany rehefa miditra eo anatrehan’NY TOMPO izy. Hoentin’i Arona eo amin’ny fony mandrakariva eo anatrehan’NY TOMPO ny fitsarana ny Zanak’Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ataovy mikambana amin’ny saron-tratra fitsarana koa ny Orima sy ny Tomima, ka hanolotra ny fon’i Aarôna, rehefa miseho eo anatrehan’i Iaveh izy, ka amin’izany dia hoentin’i Aarôna mandrakariva manolotra ny fony eo anatrehan’i Iaveh ny fitsarana ny zanak’i Israely.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ianao, ry Mosesy, apetaho eo amin’ny saron-tratra fitsarana ny Orîma sy Tomîma mba hoentin’i Aharôna eny an-tratrany rehefa hiseho eo anatrehako Izaho TOMPO izy; tsy maintsy entin’i Aharôna mandrakariva eny aminy manko ireny isaky ny ho ao amin’ny Toeramasina izy mba hahazoany mamantatra ny sitrapoko momba ny Israelita.
Malagasy Bible 1865
Ary ataovy eo amin'ny saron-tratra fitsarana ny Orima sy Tomima; ary hanolotra ny fon'i Arona izany, raha miditra eo anatrehan'i Jehovah izy; ka dia ho entin'i Arona manolotra ny fony mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah ny fitsarana ny Zanak'Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ataovy eo amin’ny saron-tratra fitsarana ny Orima sy ny Tomima; ho eo amin’ny fon’i Arona izany rehefa miditra eo anatrehan’NY TOMPO izy. Hoentin’i Arona eo amin’ny fony mandrakariva eo anatrehan’NY TOMPO ny fitsarana ny Zanak’Israely.
malagasy