Exodus 28:35 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hiakanjoan’i Arona izany rehefa manao ny fanompoam-pivavahana izy, mba ho re ny fanenony rehefa miditra ao amin’ny fitoerana masina eo anatrehan’NY TOMPO sy rehefa miala ao izy, mba tsy hahafaty azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hiakanjoan’i Aarôna izany, rehefa manao ny fanompoam-pivavahana izy, ary ho re ny fanenony amin’ny hidirany sy amin’ny hivoahany ny fitoerana masina eo anatrehan’i Iaveh, ka tsy ho faty izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hanaovan’i Aharôna io fanamiana io rehefa manao ny raharaha maha mpisorona izy: koa rehefa hiseho eo anatrehako ao amin’ny Toeramasina izy, na hiala tao, dia ho heno ny feon’ny lakolosy kely ka tsy ho faty izy.
Malagasy Bible 1865
Ary hiakanjoan'i Arona izany, raha manao ny fanompoam-pivavahany izy, mba ho re ny fanenony, raha miditra amin'ny fitoerana masina eo anatrehan'i Jehovah sy raha mivoaka izy, mba tsy hahafaty azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hiakanjoan’i Arona izany rehefa manao ny fanompoam-pivavahana izy, mba ho re ny fanenony rehefa miditra ao amin’ny fitoerana masina eo anatrehan’NY TOMPO sy rehefa miala ao izy, mba tsy hahafaty azy.
malagasy
Ary hiakanjoan'i Arona izany, raha manao ny fanompoam-pivavahany izy, mba ho re ny fanenony, raha miditra amin'ny fitoerana masina eo anatrehan'i Jehovah sy raha mivoaka izy, mba tsy hahafaty azy.