Exodus 28:36 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Manaova koa takelaka volamena tsy miharo ka asio soratra eo aminy, araka ny fanoratana fitombo-kase hoe: NOHAMASININA HO AN’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Manaova takela-bolamena madio, ka sokiro eo amin’io, toy ny fisikotra fanombohan-kase, izao teny izao: Fahamasinana ho an’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Hisy takela-bolamena madio iray hamboarina, ka hatao miendrika voninkazo ary eo amboniny hasiana soratra voasokitra toy ny amin’ny tombokase hoe: ‹Voatokana ho an’ny TOMPO›.
Malagasy Bible 1865
Ary manaova takela-bolamena tsara, ka asio soratra eo aminy, araka ny fanoratana fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN'I JEHOVAH.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Manaova koa takelaka volamena tsy miharo ka asio soratra eo aminy, araka ny fanoratana fitombo-kase hoe: NOHAMASININA HO AN’NY TOMPO.
malagasy
Ary manaova takela-bolamena tsara, ka asio soratra eo aminy, araka ny fanoratana fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN'I JEHOVAH.