Exodus 28:38 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho eo ambonin’ny handrin’i Arona izy io mba hitondran’i Arona ny heloky ny zava-masina izay hohamasinin’ny Zanak’Israely amin’ny fanomezany masina rehetra; ho eo amin’ny handriny mandrakariva izy io mba hankasitrahana ny olona eo anatrehan’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho eo an-kandrin’i Aarôna izy, mba hitondran’i Aarôna ny heloka rehetra natao tamin’ny zava-masina izay hatokan’ny zanak’i Israely ho fanatitra masina isan-karazany; ary ho eo an-kandriny lalandava izy eo anatrehan’i Iaveh mba hahitan’izy ireo sitraka amin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoentin’i Aharôna mandrakariva eny amin’ny handriny io takela-bolamena io rehefa hiseho eo anatrehako Izaho TOMPO izy, ka amin’izay dia hoekeko ny fanatitra rehetra izay hatokan’ny Israelita ho Ahy na dia manao hadisoana aza ireo amin’ny fanolorana azy.
Malagasy Bible 1865
Ary ho eo ambonin'ny handrin'i Arona izy, mba ho entin'i Arona ny heloky ny zava-masina, izay hohamasinin'ny Zanak'Isiraely amin'ny fanomezany masina rehetra; ary ho eo amin'ny handriny mandrakariva izany, mba hankasitrahana eo anatrehan'i Jehovah ny olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho eo ambonin’ny handrin’i Arona izy io mba hitondran’i Arona ny heloky ny zava-masina izay hohamasinin’ny Zanak’Israely amin’ny fanomezany masina rehetra; ho eo amin’ny handriny mandrakariva izy io mba hankasitrahana ny olona eo anatrehan’NY TOMPO.
malagasy