Exodus 28:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no fitafiana izay hataon’ireo: Saron-tratra, efoda, akanjobe, akanjo lava tenom-boaroy, fehiloha ary fehikibo. Hanao fitafiana masina ho an’i Arona rahalahinao sy ho an’ireo zanany izy ireo, mba hanaovany fisoronana ho Ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka izao no fanamiana hataon’izy ireo: saron-tratra iray, efôda iray, akanjo lava iray, akanjo anaty misy amborodao iray, satroka hamama iray ary fehin-kibo iray. Ireo no fanamiana masina hataony ho an’i Aarôna rahalahinao, sy ny zanany, mba ho mpisorona hanao fanompoana ahy izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo fanamiana izay hataony dia ny saron-tratra, ny efôda, ny akanjo lava ivelany, ny akanjo vita peta-kofehy, ny satroka fehiloha ary ny fehikibo. Hanaovan’i Aharôna rahalahinao sy ny taranany ireo rehefa manao fisoronana amiko izy.
Malagasy Bible 1865
Ary izao no fitafiana izay hataony: saron-tratra sy efoda sy akanjo ivelany sy akanjo lava tenom-boaroy sy hamama ary fehin-kibo; dia hanao fitafiana masina ho an'i Arona rahalahinao izy, sy ho an'ny zanany, mba ho mpisorona ho Ahy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no fitafiana izay hataon’ireo: Saron-tratra, efoda*, akanjobe, akanjo lava tenom-boaroy, fehiloha ary fehikibo. Hanao fitafiana masina ho an’i Arona rahalahinao sy ho an’ireo zanany izy ireo, mba hanaovany fisoronana ho Ahy.
malagasy
Ary izao no fitafiana izay hataony: saron-tratra sy efoda sy akanjo ivelany sy akanjo lava tenom-boaroy sy hamama ary fehin-kibo; dia hanao fitafiana masina ho an'i Arona rahalahinao izy, sy ho an'ny zanany, mba ho mpisorona ho Ahy izy.