Exodus 28:40 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Manaova koa akanjo lava ho an’ireo zanak’i Arona dia anamboary fehikibo izy ireo; ary manaova ihany koa satroka boribory ho azy ireo ho mariky ny voninahitra sy ny fahamboniana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Ny an’ny zanak’i Aarôna dia tonîka no ataovy ho azy ireo, ary anaovy fehikibo sy mitra koa izy, ho mariky ny fiamboniany sy ho fihaingoany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ary ireo zanakalahin’i Aharôna koa dia hanaovana fanamiana mihaja sy be voninahitra, dia akanjo lava sy fehikibo ary satroka boribory.
Malagasy Bible 1865
Ary manaova akanjo lava ho an'ny zanak'i Arona, ary manaova fehin-kibo ho azy; ary manaova satroka boribory ho azy ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Manaova koa akanjo lava ho an’ireo zanak’i Arona dia anamboary fehikibo izy ireo; ary manaova ihany koa satroka boribory ho azy ireo ho mariky ny voninahitra sy ny fahamboniana.
malagasy
Ary manaova akanjo lava ho an'ny zanak'i Arona, ary manaova fehin-kibo ho azy; ary manaova satroka boribory ho azy ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy.