Exodus 28:43 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hiakanjoan’i Arona sy ireo zanany ireo rehefa miditra ao amin’ny tranolay fihaonana izy ireo, na manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina, mba tsy hahazoany heloka hahafaty azy; ho lalàna maharitra aminy sy amin’ny taranany mandimby azy izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ireo no hoentin’i Aarôna sy ny zanany, na hiditra eo amin’ny trano lay fihaonana izy ireo, na hankeo amin’ny ôtely hanao ny Fanompoam-pivavahana eo amin’ny Fitoerana Masina. Ary amin’izany dia tsy ho voan-keloka izy ka tsy ho faty. Lalàna mandrakizay izany, ho an’i Aarôna sy ny taranany mandimby azy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hiakanjoan’i Aharôna sy ny zanany izany rehefa hiditra ao amin’ny Tranolay fihaonana izy, na manatona eo amin’ny alitara hanao ny raharaha maha mpisorona ao amin’ny Toeramasina. Izany no tsy hahazoany heloka hahafaty azy. Ho fepetra raikitra izany ho an’i Aharôna sy ny taranany.
Malagasy Bible 1865
Ary hiakanjoan'i Arona sy ny zanany ireo, raha miditra amin'ny trano-lay fihaonana izy, na manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, mba tsy hahazoany heloka hahafaty azy; ho lalàna mandrakizay aminy sy amin'ny taranany mandimby azy izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hiakanjoan’i Arona sy ireo zanany ireo rehefa miditra ao amin’ny tranolay fihaonana* izy ireo, na manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina, mba tsy hahazoany heloka hahafaty azy; ho lalàna maharitra aminy sy amin’ny taranany mandimby azy izany.
malagasy
Ary hiakanjoan'i Arona sy ny zanany ireo, raha miditra amin'ny trano-lay fihaonana izy, na manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, mba tsy hahazoany heloka hahafaty azy; ho lalàna mandrakizay aminy sy amin'ny taranany mandimby azy izany.