Exodus 28:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia aoka izy hanao ny efoda amin’ny volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika, asan’ny mpanenona mahay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Ny efôda dia hataony amin’ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika voahasina, ampifahoina amin’ny tenona lavorary.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Mpahay taozavatra no hanao ny efôda amin’ny kiran-drongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, ka asiana peta-kofehy volamena.
Malagasy Bible 1865
Dia aoka izy hanao ny efoda amin'ny volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mpanenona mahay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia aoka izy hanao ny efoda* amin’ny volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika, asan’ny mpanenona mahay.
malagasy
Dia aoka izy hanao ny efoda amin'ny volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mpanenona mahay.