Exodus 28:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny fehikibo momba ny efoda, izay eo amboniny, dia hiray aminy sady hitovy fomba aminy, dia hatao amin’ny volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hitovy tenona aminy koa ny fehin-kibo hamehezana azy eo amboniny sy hiray aminy, fa hatao amin’ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika voahasina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hotenomina ho iray amin’ny efôda sady hatao amin’ny kofehy mitovy amin’ny nanaovana azy ny samboady fitazonana ny efôda.
Malagasy Bible 1865
Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay eo amboniny ka hiray aminy sady hitovy tarehy aminy, dia hatao volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny fehikibo momba ny efoda, izay eo amboniny, dia hiray aminy sady hitovy fomba aminy, dia hatao amin’ny volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika voatenona.
malagasy
Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay eo amboniny ka hiray aminy sady hitovy tarehy aminy, dia hatao volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina.