Exodus 29:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary izao no zavatra hataonao amin’izy ireo mba hanamasinana azy hanao fisoronana ho Ahy: Makà vantotra ombilahy iray sy ondrilahy roa tsy misy kilema,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Izao no ataovy amin’ny fanamasinana azy ireo ho mpisorona ho Ahy: Makà vantotr’ombalahy iray sy ondralahy roa, samy tsy misy kilema.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Toy izao no zavatra hataonao rehefa hanokana an’i Aharôna sy ny zanany lahy ho mpisorona ho Ahy ianao: –Makà vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy roa tsy misy kilema.
Malagasy Bible 1865
Ary izao no zavatra hataonao aminy hanamasinana azy ho mpisorona ho Ahy: makà vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy roa tsy misy kilema,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary izao no zavatra hataonao amin’izy ireo mba hanamasinana azy hanao fisoronana ho Ahy: Makà vantotra ombilahy iray sy ondrilahy roa tsy misy kilema,
malagasy
[Ny amin'ny fanokanana ny mpisorona] Ary izao no zavatra hataonao aminy hanamasinana azy ho mpisorona ho Ahy: makà vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy roa tsy misy kilema,