Exodus 29:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary analao ny ran’ity vantotra ombilahy ity dia ahosory eo amin’ireo tandroky ny alitara amin’ny fanondronao, ary ny ra sisa rehetra kosa dia araraho eo am-pototry ny alitara;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka angalao ny ran’ny ombalahy atenteno amin’ireo tandroky ny ôtely amin’ny fanondronao, dia araraho eo am-pototry ny ôtely avokoa ny sisa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hanalanao ny rany ka hatentinao amin’ny fanondro eo amin’ny tandroky ny alitara, ary ny sisa kosa dia haidinao eo am-pototry ny alitara.
Malagasy Bible 1865
ary analao ny ran'ny vantotr'ombilahy, dia atenteno eo amin'ny tandroky ny alitara amin'ny fanandranao, ary ny rà sisa rehetra dia aidino eo am-bodin'ny alitara;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary analao ny ran’ity vantotra ombilahy ity dia ahosory eo amin’ireo tandroky* ny alitara amin’ny fanondronao, ary ny ra sisa rehetra kosa dia araraho eo am-pototry ny alitara;
malagasy
ary analao ny ran'ny vantotr'ombilahy, dia atenteno eo amin'ny tandroky ny alitara amin'ny fanandranao, ary ny rà sisa rehetra dia aidino eo am-bodin'ny alitara;