Exodus 29:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary doroy ho fofona eo ambonin’ny alitara ilay ondrilahy manontolo ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia hodoranao hanetona eo ambony ôtely ny ondralahy manontolo. Sorona dorana ho an’i Iaveh izany, hankasitrahany ny fofony, fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hodoranao ilay biby manontolo mba ho sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO: ho hanitra ankasitrahina ho AHY io sorona io.
Malagasy Bible 1865
ary dory ho fofona eo ambonin'ny alitara ny tenan'ny ondrilahy; ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary doroy ho fofona eo ambonin’ny alitara ilay ondrilahy manontolo ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.
malagasy
ary dory ho fofona eo ambonin'ny alitara ny tenan'ny ondrilahy; ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.