Exodus 29:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
vonoy ny ondrilahy ka analao ny rany, dia ahosory amin’ny tendron’ny ravin-tsofina havanan’i Arona sy amin’ny tendron’ny ravin-tsofina havanan’ireo zanany, ary amin’ny ankiben-tanany havanana sy amin’ny ankiben-tongony havanana; ny ra sisa kosa dia afafazo manodidina amin’ny lafin’ny alitara rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ianao hamono ny ondralahy dia haka amin’ny rany, ka hatentinao amin’ny tendron-dravintsofina ankavanan’i Aarôna, sy amin’ny tendron-dravintsofina ankavanan’ireo zanany, ary amin’ny ankiben-tanany ankavanana, mbamin’ny ankiben-tongony ankavanana, ary hararakao manodidina eo ambonin’ny ôtely ny ra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hovonoinao ho faty ilay ondrilahy, ary hanalanao ny rany ka hatentinao amin’ny tendron-dravintsofina ankavanan’i Aharôna sy ny zanany, ary amin’ny ankiben-tongotra aman-tanany ankavanana avy; avy eo dia hafafinao amin’ny lafin’ny alitara ambony manodidina ny ra sisa.
Malagasy Bible 1865
dia vonoy ny ondrilahy ka analao ny ràny, dia atenteno amin'ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'i Arona sy amin'ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ny zanany, ary amin'ny ankihiben-tànany ankavanana sy amin'ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny rà sisa dia atopazy manodidina amin'ny lafin'ny alitara
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
vonoy ny ondrilahy ka analao ny rany, dia ahosory amin’ny tendron’ny ravin-tsofina havanan’i Arona sy amin’ny tendron’ny ravin-tsofina havanan’ireo zanany, ary amin’ny ankiben-tanany havanana sy amin’ny ankiben-tongony havanana; ny ra sisa kosa dia afafazo manodidina amin’ny lafin’ny alitara rehetra.
malagasy