Exodus 29:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia raiso avy amin’ny tanany ireo avy eo ka doroy hanome fofona eo ambonin’ny alitara, miaraka amin’ny fanatitra dorana manontolo, ho hanitra ankasitrahana eo anatrehan’NY TOMPO, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha efa izany hoesorinao eo an-tanany ireo ka hodoranao eo ambony ôtely, ambonin’ny sorona dorana, ho hanitra ankasitrahina eo anatrehan’i Iaveh: sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia halainao eny an-tanany ireo ka hodoranao hanetona eo ambony alitara miaraka amin’ny sorona dorana manontolo: ho sorona atolotra Ahy TOMPO izany, ka ho hanitra ankasitrahina ho AHY.
Malagasy Bible 1865
Dia raiso amin'ny tànany izany, ka dory ho fofona eo ambonin'ny alitara, miaraka amin'ny fanatitra dorana ho hanitra ankasitrahana eo anatrehan'i Jehovah, dia fanatitra atao amin'ny afo, ho an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia raiso avy amin’ny tanany ireo avy eo ka doroy hanome fofona eo ambonin’ny alitara, miaraka amin’ny fanatitra dorana manontolo, ho hanitra ankasitrahana eo anatrehan’NY TOMPO, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.
malagasy