Exodus 29:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Alao indray ny tratran’ny ondrilahy fanokanana an’i Arona ka ataovy fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO; dia izay no ho anjaranao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary halainao ny tratran’ny ondralahy izay nenti-nanokanana an’i Aarôna, ka hahevahevanao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Iaveh: io no ho anjaranao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary halainao ny tratran’ny ondrilahy faharoa izay nanokanana an’i Aharôna ka hahevahevanao eo anatrehako Izaho TOMPO toy ny fanatitra ahevaheva fa iny no anjara ho anao.
Malagasy Bible 1865
Ary alao ny tratran'ny ondrilahy fanokanana an'i Arona, ka ahevahevao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; dia ho anjaranao izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Alao indray ny tratran’ny ondrilahy fanokanana an’i Arona ka ataovy fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO; dia izay no ho anjaranao.
malagasy
Ary alao ny tratran'ny ondrilahy fanokanana an'i Arona, ka ahevahevao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; dia ho anjaranao izany.