Exodus 29:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hamasino ny tratran’ny fanatitra asandratra sy ny feny izay nalaina avy tamin’ny fanatitra, dia izay nasandratra sy izay nalaina avy tamin’ny ondrilahy fanokanana, dia izay ho an’i Arona sy izay ho an’ny zanany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’ny ondralahy fanokanana, amin’izay anjaran’i Aarôna sy amin’izay anjaran’ny zanany, dia hohamasininao izay efa voahevaheva sy izay efa voasandratra, dia izao avy: ny tratra voahevaheva sy ny soroka voasandratra;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Hambaranao fa masina ny tratrany sy ny sorony nalaina tamin’ny ondry fanokanana an’i Aharôna ka nahevaheva sy nasandratra teo anatrehako.
Malagasy Bible 1865
Ary hamasino ny tratran'ny fanatitra ahevaheva sy ny soroky ny fanatitra asandratra, izay ahevaheva sy izay asandratra avy amin'ny ondrilahy fanokanana, dia izay ho an'i Arona sy izay ho an'ny zanany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hamasino ny tratran’ny fanatitra asandratra sy ny feny izay nalaina avy tamin’ny fanatitra, dia izay nasandratra sy izay nalaina avy tamin’ny ondrilahy fanokanana, dia izay ho an’i Arona sy izay ho an’ny zanany.
malagasy