Exodus 29:28 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ho anjara mandrakizay ho an’i Arona sy ho an’ny taranany avy amin’ny Zanak’Israely izany, fa anjara fanomezana; ary hisy anjara fanomezana ho an’NY TOMPO, haterin’ny Zanak’Israely avy amin’ny fanati-pihavanany rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
izany no anjaran’i Aarôna sy ny zanany, tsy maintsy hafoin’ny zanak’i Israely ho azy ireo mandrakizay; fa fanatitra voasandratra izany, ary ny zanak’i Israely tsy maintsy hanokana fanatitra avy amin’ny sorona fisaorana, fanatitra atokany ho an’i Iaveh.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany, rehefa manao sorom-pihavanana amiko ny Israelita rehetra, dia hanavaka ny soron-kena sy ny tratrany amin’ireo biby mba ho anjara raikitra ho an’i Aharôna sy ny taranany: zavatra avahana ho Ahy TOMPO izany.
Malagasy Bible 1865
Ary ho anjara mandrakizay ho an'i Arona sy ho an'ny taranany avy amin'ny Zanak'Isiraely izany, fa fanatitra asandratra izany; ary hisy fanatitra asandratra haterin'ny Zanak'Isiraely avy amin'ny fanati-pihavanany rehetra ho fanatitra asandratra ho an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ho anjara mandrakizay ho an’i Arona sy ho an’ny taranany avy amin’ny Zanak’Israely izany, fa anjara fanomezana; ary hisy anjara fanomezana ho an’NY TOMPO, haterin’ny Zanak’Israely avy amin’ny fanati-pihavanany rehetra.
malagasy