Exodus 29:33 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izy ireo no hihinana ireo zavatra ireo, izay nanaovana fanavotana ho azy, mba hanokanana sy hanamasinana azy; fa tsy mba hihinana ny vahiny satria masina ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy izany koa no hihinanany izay nanaovana ny fanoneram-pahotana tamin’ny nanokanana azy sy nanamasinana azy; tsy hisy olon-kafa hihinana amin’izany, satria zava-masina izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izy ireo ihany no mahazo mihinana izay nampiasaina tamin’ny fanokanana sy ny fametrahana azy eo amin’ny raharahany mba hahazoany famelan-keloka amin’ny Tompo. Tsy misy olon-kafa mahazo mihinana ireo, fa sakafo masina ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary izy na hihinana izany zavatra izany, izay nanaovana fanavotana ho azy, mba hanokanana sy hanamasinana azy; fa ny vahiny tsy mba hihinana, satria masina izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izy ireo no hihinana ireo zavatra ireo, izay nanaovana fanavotana ho azy, mba hanokanana sy hanamasinana azy; fa tsy mba hihinana ny vahiny satria masina ireo.
malagasy
Ary izy na hihinana izany zavatra izany, izay nanaovana fanavotana ho azy, mba hanokanana sy hanamasinana azy; fa ny vahiny tsy mba hihinana, satria masina izany.