Exodus 29:40 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
miampy koba tsara toto ampahafolon’ny efaha, voaharo amin’ny diloilo nofiazana ampahefatry ny hina, sy divay ampahefatry ny hina, ho fanatitra aidina miaraka amin’ilay zanak’ondry iray.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Miaraka amin’ny ondry voalohany, hatolotrao koa ny lafarina tsara indrindra, ampahafolon’ny efah voadity tamin’ny diloilon’ny ôliva, voatoto, ampahefatry ny hina, ary divay ampahefatry ny hina ho fanatitra hararaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Miaraka amin’ny zanakondry amin’ny maraina sy ny hariva, dia hitondrana koba telopolo kilao efa voakapoka amin’ny diloilo tsara iray litatra sy sasany sy fanatitra divay iray litatra sy sasany. Ireo dia ho sorona atolotra Ahy TOMPO, ka ho hanitra ankasitrahina ho Ahy.
Malagasy Bible 1865
ary koba tsara toto ampahafolon'ny efaha voaharoharo diloilo voavely ampahefatry ny hina sy divay ampahefatry ny hina, ho fanatitra aidina amin'ny isan-janak'ondry iray.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
miampy koba tsara toto ampahafolon’ny efaha*, voaharo amin’ny diloilo nofiazana ampahefatry ny hina*, sy divay ampahefatry ny hina, ho fanatitra aidina miaraka amin’ilay zanak’ondry iray.
malagasy
ary koba tsara toto ampahafolon'ny efaha voaharoharo diloilo voavely ampahefatry ny hina sy divay ampahefatry ny hina, ho fanatitra aidina amin'ny isan-janak'ondry iray.