Exodus 29:41 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny zanak’ondry faharoa kosa dia hatolotrao amin’ny hariva. Fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin’ny fanatitra maraina no hampiarahinao aminy, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny zanak’ondry faharoa hatolotrao amin’ny aty takariva dia hampombainao fanatitra sy divay hatao fanatitra araraka toraky ny tamin’ny maraina, ankasitrahina ny fofony, sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.
Malagasy Bible 1865
Ary ny zanak'ondry iray koa haterinao nony hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin'ny fanatitra maraina no hampombainao azy, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny zanak’ondry faharoa kosa dia hatolotrao amin’ny hariva. Fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin’ny fanatitra maraina no hampiarahinao aminy, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.
malagasy