Exodus 29:42 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho fanatitra mandrakariva, dorana manontolo izany, hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby, eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana eo anatrehan’NY TOMPO, dia ao amin’izay hihaonako aminareo, hitenenako aminao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Sorona dorana tsy tapaka izay tsy maintsy hatolotrareo amin’ny taona mifandimby ao amin’ny fidirana ny trano lay fihaonana, eo anatrehan’i Iaveh, dia eo amin’izay hihaonako aminareo mba hitenenako aminao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’ny hoavy dia tsy ho tapaka na oviana na oviana ny fanolorana sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO eo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana, fa eo no hihaonako aminareo sy hitenenako aminao.
Malagasy Bible 1865
Ho fanatitra dorana mandrakariva izany hatramin'ny taranakareo fara mandimby, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana eo anatrehan'i Jehovah, dia ao amin'izay hihaonako aminareo hiteny aminao
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho fanatitra mandrakariva, dorana manontolo izany, hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby, eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana* eo anatrehan’NY TOMPO, dia ao amin’izay hihaonako aminareo, hitenenako aminao.
malagasy
Ho fanatitra dorana mandrakariva izany hatramin'ny taranakareo fara mandimby, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana eo anatrehan'i Jehovah, dia ao amin'izay hihaonako aminareo hiteny aminao