Exodus 29:46 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ho fantany fa Izaho no TOMPO Andriamaniny izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta, mba honenako eo aminy; Izaho no TOMPO Andriamaniny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho fantany fa Izaho Iaveh no Andriamanitr’izy ireo, izay namoaka azy tany amin’ny tany Ejipta, mba honenako eo afovoan’izy ireo, dia Izaho Iaveh no Andriamaniny.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka amin’izay no hiekeny fa Izaho no TOMPO Andriamaniny, dia Izaho Ilay namoaka azy hiala tany Ejipta mba hahazoako miara-monina aminy. «Izaho no TOMPO Andriamaniny.»
Malagasy Bible 1865
Ary ho fantany fa Izaho no Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, mba honina eo aminy Aho; Izaho no Jehovah Andriamaniny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ho fantany fa Izaho no TOMPO Andriamaniny izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta, mba honenako eo aminy; Izaho no TOMPO Andriamaniny.
malagasy
Ary ho fantany fa Izaho no Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, mba honina eo aminy Aho; Izaho no Jehovah Andriamaniny.