Exodus 29:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia ento ireo fitafiana ka ampiakanjoy an’i Arona ny akanjo lava sy ny akanjobe misy ny efoda ary ny efoda sy ny saron-tratra, ary afehezo azy ny fehikibo momba ny efoda;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha efa izany alao ireo fanamiana, ka ampiankanjoy an’i Aarôna ny akanjo anatiny, ny akanjo lavan’ny efôda, ary ny efôda sy ny saron-tratra, dia etrao amin’ny fehikibon’ny efôda izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia ampiakanjoy an’i Aharôna ny fanamiana voatokana: dia ny akanjo lava ivelany, ny akanjo vita peta-kofehy, ny efôda ary ny saron-tratra, ka afatory ny samboadin’ny efôda.
Malagasy Bible 1865
Ary alao ny fitafiana ka ampiakanjoy an'i Arona ny akanjo lava sy ny akanjo ivelany misy ny efoda ary ny efoda sy ny saron-tratra ary fehezo amin'ny fehin-kibo mamba ny efoda izy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia ento ireo fitafiana ka ampiakanjoy an’i Arona ny akanjo lava sy ny akanjobe misy ny efoda* ary ny efoda sy ny saron-tratra, ary afehezo azy ny fehikibo momba ny efoda;
malagasy
Ary alao ny fitafiana ka ampiakanjoy an'i Arona ny akanjo lava sy ny akanjo ivelany misy ny efoda ary ny efoda sy ny saron-tratra ary fehezo amin'ny fehin-kibo mamba ny efoda izy;