Exodus 3:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Mosesy dia niandry ny ondry aman’osin’i Jetro rafozany, mpisorona tany Midiana, dia nitondra ny ondry aman’osy tany ankoatra ny tany efitra ka tonga tany Horeba, tendrombohitr’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Môizy niandry ny biby fiompin’i Jetrao, rafozany, mpisorona tao Madiàna. Nentiny nankany ankoatry ny efitra ny biby, ka tonga tany amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra, tany Horeba, izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niandry ny ondrin’i Jetrao rafozany, mpisorona tao Midiana i Mosesy. Indray andro, rehefa avy nitondra ny ondry aman’osy tany ankoatra ny taniefitra izy, dia tonga tao Hôreba tendrombohitr’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Ary Mosesy niandry ny ondry aman'osin'i Jetro rafozany, mpisorona tao Midiana, dia nitondra ny ondry aman'osy tany ankoatry ny efitra ka nankany Horeba, tendrombohitr'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Mosesy dia niandry ny ondry aman’osin’i Jetro rafozany, mpisorona tany Midiana, dia nitondra ny ondry aman’osy tany ankoatra ny tany efitra ka tonga tany Horeba, tendrombohitr’Andriamanitra.
malagasy
Ary Mosesy niandry ny ondry aman'osin'i Jetro rafozany, mpisorona tao Midiana, dia nitondra ny ondry aman'osy tany ankoatry ny efitra ka nankany Horeba, tendrombohitr'Andriamanitra.