Exodus 3:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Mosesy tamin’Andriamanitra: Indro, rehefa tonga any amin’ny Zanak’Israely aho ka hiteny aminy hoe: Andriamanitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo, dia hiteny amiko izy hoe: Iza moa no anarany? Dia ahoana no havaliko azy?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Môizy tamin’Andriamanitra: «Izao àry, dia ho any amin’ny zanak’i Israely aho, ka hilaza aminy hoe: Irahin’ny Andriamanitry ny razanareo aho ho atỳ aminareo. Raha manontany izay Anarany izy, dia ahoana no havaliko azy ireo?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy i Mosesy tamin’Andriamanitra: –Eny àry fa hankany amin’ny Israelita aho izao hilaza aminy hoe: «Ilay Andriamanitry ny razanareo no naniraka ahy ho atỳ aminareo.» Saingy hanontany ahy ny anaranao izy, koa inona no havaliko azy?
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Mosesy tamin'Andriamanitra: Indro, rehefa tonga any amin'ny Zanak'Isiraely aho ka manao aminy hoe: Andriamanitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo, ary hanao amiko hoe kosa izy: Iza moa no anarany? dia ahoana no havaliko azy?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Mosesy tamin’Andriamanitra: Indro, rehefa tonga any amin’ny Zanak’Israely aho ka hiteny aminy hoe: Andriamanitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo, dia hiteny amiko izy hoe: Iza moa no anarany? Dia ahoana no havaliko azy?
malagasy