Exodus 3:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy: Izaho izay Izy. Ary hoy koa Izy: Izao no holazainao amin’ny Zanak’Israely: Izaho izay Izy no naniraka ahy ho atỳ aminareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy Andriamanitra tamin’i Môizy: «Izaho no Ilay misy. Izany, hoy izy, no havalinao ny zanak’i Israely: Ilay misy no maniraka ahy atỳ aminareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy: –Izaho no Ilay hatrizay ka ho mandrakizay. Koa izao no holazainao amin’ny Israelita: «Ilay hatrizay ka ho mandrakizay no naniraka ahy ho atỳ aminareo.»
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy: IZAHO, IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY. Ary hoy koa Izy: Izao no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely: IZAHO IZAY Izy no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy: Izaho izay Izy. Ary hoy koa Izy: Izao no holazainao amin’ny Zanak’Israely: Izaho izay Izy no naniraka ahy ho atỳ aminareo.
malagasy