Exodus 3:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy koa Andriamanitra tamin’i Mosesy: Izao no holazainao amin’ny Zanak’Israely: NY TOMPO, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba, no naniraka ahy ho atỳ aminareo. Izany no ho anarako mandrakizay ary izany no hiantsoana Ahy hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy koa Andriamanitra tamin’i Môizy: «Lazao amin’ny zanak’i Israely hoe: ‹I Iaveh, Andriamanitry ny razanareo, dia ny Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’i Isaaka, Andriamanitr’i Jakôba, no maniraka ahy ho atỳ aminareo.› Fa izany no Anarako mandrakizay; izany no hahatsiarovana ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia ampio hoe: «Ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, no naniraka ahy ho atỳ aminareo.» Izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy isaky ny taranaka mifandimby.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy koa Andriamanitra tamin'i Mosesy: Izao no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely: Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'i Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba, no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo; izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy hatramin'ny taranaka fara mandimby.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy koa Andriamanitra tamin’i Mosesy: Izao no holazainao amin’ny Zanak’Israely: NY TOMPO, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba, no naniraka ahy ho atỳ aminareo. Izany no ho anarako mandrakizay ary izany no hiantsoana Ahy hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.
malagasy