Exodus 3:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mandehana, vorio ny loholon’ny Israely ka lazao aminy hoe: NY TOMPO, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba, no niseho tamiko ka niteny hoe: Efa namangy anareo tokoa Aho ka nahita ny manjo anareo atỳ Ejipta,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Mandehana, vorio ny loholon’i Israely, ka lazao aminy hoe: Niseho tamiko i Iaveh, Andriamanitry ny razanareo, dia ny Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba, nanao hoe: Namangy anareo Aho, ary nahita ny anaovan’ny olona anareo any Ejipta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mandehana, vorio ny loholon’ i Israely ka ilazao hoe: «Ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, no efa niseho tamiko ka nilaza fa nitsinjo anareo sy nahita ny fomba afitsoka anareo atỳ Ejipta;
Malagasy Bible 1865
Mandehana, dia angòny ny loholon'ny Isiraely, ka lazao aminy hoe: Efa niseho tamiko Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka nanao hoe: Efa namangy anareo tokoa Aho ka nahita ny anaovana anareo atỳ Egypta;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mandehana, vorio ny loholon’ny Israely ka lazao aminy hoe: NY TOMPO, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba, no niseho tamiko ka niteny hoe: Efa namangy anareo tokoa Aho ka nahita ny manjo anareo atỳ Ejipta,
malagasy