Exodus 3:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hihaino ny feonao izy. Hankao amin’ny mpanjakan’i Ejipta ianao sy ireo loholon’ny Israely ka hilaza aminy hoe: NY TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo, no nihaona taminay. Koa ankehitriny, trara antitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any an-tany efitra izahay mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO Andriamanitray.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hihaino ny teninao izy ireo; dia handeha ianao sy ny loholon’i Israely ho any amin’ny mpanjakan’i Ejipta ka hanao aminy hoe: Niseho taminay i Iaveh ilay Andriamanitry ny Hebrio. Koa amin’izao avelao izahay handeha lalan-kateloana any an’efitra, hanolotra sorona amin’i Iaveh Andriamanitray.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hihaino anao ireo Israelita; koa mandehàna ianao sy ny loholon’i Israely mankany amin’ny mpanjakan’i Ejipta, ka lazaonareo aminy hoe: «Niseho taminay ny TOMPO Andriamanitry ny Hebreo, ilay Andriamanitray, koa mba avelao izahay handeha lalana telo andro ho any an-taniefitra hanolotra sorona ho AZY.»
Malagasy Bible 1865
Dia hihaino ny feonao izy; ary hankao amin'ny mpanjakan'i Egypta ianao sy ny loholon'ny Isiraely ka hilaza aminy hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo, efa nihaona taminay; ary ankehitriny, trarantitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitray.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hihaino ny feonao izy. Hankao amin’ny mpanjakan’i Ejipta ianao sy ireo loholon’ny Israely ka hilaza aminy hoe: NY TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo, no nihaona taminay. Koa ankehitriny, trara antitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any an-tany efitra izahay mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO Andriamanitray.
malagasy