Exodus 3:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ilay Anjelin’NY TOMPO niseho taminy tao anaty lelafo teo amin’ny roimemy iray ka hitany fa indro, nirehitra afo ilay roimemy kanefa tsy levona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny Anjelin’i Iaveh niseho taminy, amin’ny endriky ny lelafo, teo afovoan’ny zava-maniry milobolobo. Hitan’i Môizy fa indro nirehitra avokoa ilay zava-maniry milobolobo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tao izy no nisehoan’ny anjeli n’ny TOMPO tanaty lelafo teo afovoan’ny roimemy anankiray. Hitan’i Mosesy fa mirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nisy nahalevonana.
Malagasy Bible 1865
Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho taminy teo anaty lelafo teo amin'ny roimemy anankiray; dia nijery izy, ka, indro, nirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nahalevonana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ilay Anjelin’NY TOMPO* niseho taminy tao anaty lelafo teo amin’ny roimemy iray ka hitany fa indro, nirehitra afo ilay roimemy kanefa tsy levona.
malagasy
Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho taminy teo anaty lelafo teo amin'ny roimemy anankiray; dia nijery izy, ka, indro, nirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nahalevonana.