Exodus 3:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hanatsotra ny tanako Aho ka hamely an’i Ejipta amin’ny fahagagana rehetra izay hataoko eo aminy. Aorianan’izay vao handefa anareo izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nefa haninjitra ny tanako Aho hamely an’i Ejipta, amin’ny fahagagana isan-karazany hataoko eo aminy, ka havelany handeha ianareo rehefa afaka izany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany no hanehoako ny fahefako tsy hay tohaina ka hamelezako an’i Ejipta amin’ny zava-mahagaga rehetra izay hataoko ao anatiny, ary aorian’izany vao halefany ianareo.
Malagasy Bible 1865
Dia haninjitra ny tanako Aho ka hamely an'i Egypta amin'ny fahagagana rehetra izay hataoko eo aminy; ary rehefa afaka izany, dia vao handefa anareo izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hanatsotra ny tanako Aho ka hamely an’i Ejipta amin’ny fahagagana rehetra izay hataoko eo aminy. Aorianan’izay vao handefa anareo izy.
malagasy
Dia haninjitra ny tanako Aho ka hamely an'i Egypta amin'ny fahagagana rehetra izay hataoko eo aminy; ary rehefa afaka izany, dia vao handefa anareo izy.