Exodus 3:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hataoko mahita fitia eo imason’ny Ejiptiana ity firenena ity, koa rehefa mandeha ianareo dia tsy mba handeha tanam-polo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Hataoko mahita fitia eo imason’ny Ejiptianina ity vahoaka ity, hany ka tsy hitondra tanam-polo ianareo, rehefa handeha.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Homeko tombontsoa eo imason’ny Ejiptianina ity vahoaka ity ka tsy hitondra tanam-polo mody.
Malagasy Bible 1865
Ary hataoko mahita fitia eo imason'ny Egyptiana ity firenena ity, ka raha handeha ianareo, dia tsy mba handeha maina;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hataoko mahita fitia eo imason’ny Ejiptiana ity firenena ity, koa rehefa mandeha ianareo dia tsy mba handeha tanam-polo.
malagasy
Ary hataoko mahita fitia eo imason'ny Egyptiana ity firenena ity, ka raha handeha ianareo, dia tsy mba handeha maina;fa ny vehivavy samy hangataka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana amin'ny miray monina aminy sy amin'izay mivahiny ao an-tranony; dia hataonareo amin'ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy izany, ka dia hofoananareo ny Egyptiana.