Exodus 3:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny vehivavy dia samy hangataka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana amin’ny mpiray monina aminy sy amin’izay mivahiny ao an-tranony; dia hampanaovinareo ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy izany ka hofoananareo ny harenan’i Ejipta.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Samy hangataka fanaka volafotsy sy fanaka volamena ary fitafiana, amin’izay mifanolo-bodirindrina aminy sy amin’izay miray trano aminy avy, ny vehivavy, hataonareo amin’ny zanakareo lahy aman-janakareo vavy; ka dia hambabo an’i Ejipta ianareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny vehivavy israelita tsirairay avy dia samy hangataka amin’ny vehivavy ejiptianina ao aminy na manodidina azy firavaka volafotsy sy volamena mbamin’ny fitafiana. Hampitondrainareo ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo ireny, ka hataonareo fongana ny Ejiptianina.
Malagasy Bible 1865
fa ny vehivavy samy hangataka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana amin'ny miray monina aminy sy amin'izay mivahiny ao an-tranony; dia hataonareo amin'ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy izany, ka dia hofoananareo ny Egyptiana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny vehivavy dia samy hangataka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana amin’ny mpiray monina aminy sy amin’izay mivahiny ao an-tranony; dia hampanaovinareo ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy izany ka hofoananareo ny harenan’i Ejipta.
malagasy