Exodus 3:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa hitan’NY TOMPO fa nivily mba hizaha izy dia niantso azy avy tao afovoan’ny roimemy Andriamanitra ka niteny hoe: Ry Mosesy! Ry Mosesy! Dia hoy izy: Inty aho!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hitan’i Iaveh fa niolaka hijery izy; dia niantso azy Andriamanitra teo afovoan’ny zava-maniry milobolobo, nanao hoe: «Ry Môizy! ry Môizy!» Ka hoy ny navaliny: «Inty aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa hitan’ny TOMPO fa nanatona mba hizaha i Mosesy, dia tao afovoan’ny roimemy Izy no niantso azy nanao hoe: –Ry Mosesy! Ry Mosesy! Ka hoy ny navaliny Azy: –Inty aho.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa hitan'i Jehovah fa nivily hizaha izy, dia niantso azy tao afovoan'ny roimemy Andriamanitra ka nanao hoe: Ry Mosesy, ry Mosesy! Dia hoy izy: Inty aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa hitan’NY TOMPO fa nivily mba hizaha izy dia niantso azy avy tao afovoan’ny roimemy Andriamanitra ka niteny hoe: Ry Mosesy! Ry Mosesy! Dia hoy izy: Inty aho!
malagasy
Ary rehefa hitan'i Jehovah fa nivily hizaha izy, dia niantso azy tao afovoan'ny roimemy Andriamanitra ka nanao hoe: Ry Mosesy, ry Mosesy! Dia hoy izy: Inty aho.