Exodus 3:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy NY TOMPO: Hitako tokoa ny fahorian’ny oloko izay any Ejipta, ary reko ny fitarainany noho ny ataon’ny mpampahory azy; eny, fantatro ny fijaliany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Iaveh hoe: «Efa hitako ny fahorian’ny vahoakako izay any Ejipta ary henoko ny fitarainany noho ny afitsok’ireo mpamoritra azy: fa fantatro ny fijaliany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ny TOMPO hoe: –Efa hitako tokoa ny fahorian’ny vahoakako any Ejipta ary efa reko ny fitarainany noho ny famelezan’ireo mpampahory azy; eny, fantatro ny fijaliany.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah: Efa hitako tokoa ny fahorian'ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon'ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy NY TOMPO: Hitako tokoa ny fahorian’ny oloko izay any Ejipta, ary reko ny fitarainany noho ny ataon’ny mpampahory azy; eny, fantatro ny fijaliany.
malagasy
Ary hoy Jehovah: Efa hitako tokoa ny fahorian'ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon'ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony;